𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐈𝐊𝐀𝐃𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐈𝐊𝐎𝐋𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟓-𝟐𝟎𝟑𝟎 :

𝐌𝐀𝐍𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐎̂𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘

📍Lapan’i Mahazoarivo

📆 Faha-30 janoary 2026

👉 Miditra amin’ny dingana vaovao ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, ary ny fampiharana ny paikady 2025-2030 entina manatanteraka izany no nosokafana tamin’ny alalan’ny fivoriana voalohan’ireo mpikambana ao amin’ny Kômity mpitarika, notontosaina teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany. Nizotra teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ny Filohan’ny Kômity mitandro ny fahitsiana, Andriamatoa Andriamifidy Jean Louis, izay Filoha mpiara-mitarika io Kômity voalaza io ny lanonana nanokafana izany tamin’ny fomba ôfisialy.

👉 Nandritra izany fivoriana izany dia nanolotra ny drafi-panatanterahana sy ny lamina enti-mampihatra ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly 2025–2030 ny Sekretera mpanatanterakan’ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI), Andriamatoa Tsiry Razafimandimby. Ity drafitra ity dia mametraka mazava ny dingana, ny tetiandro ary ny vokatra andrasana amin’ny fampiharana ny paikady.

🎯 Amin’ny taona 2030 i Madagasikara dia ho Nosy hanjakan’ny fahitsiana, ka tsy ho sakana ho amin’ny fampandrosoana lovainjafy intsony ny kolikoly. Io no tanjona fototra hotratrarina amin’ny dingana lehibe miisa telo (3) hoenti-mampihatra ny paikady:

1️⃣ Ny ady amin’ny tsy maty manota

2️⃣ Ny fampifandraisana ireo sehatra rehetra voakasika, izay ahitana ny fanjakana, ny Andrimpanjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ny vahoaka

3️⃣ Ny fanajana ny lalàna amam-pitsipika hanazarana ny rehetra amin’ny kolontsain’ny fahitsiana.

📣 Toromarika hentitra no nomen’ny Praiminisitra mba hanidiana ny varavarana sy tsy hanomezana irika intsony ny kolikoly izay fanetriben’ny firenena, ary nambarany koa fa mitaky fiovana miainga amin’ny tsirairay eo amin’ny sehatra sy ny andraikitra misy azy avy ny hahatongavana amin’ny tanjona napetraka : “Aoka hotsaroan’ny rehetra mandrakariva fa ny fanavaozana dia tsy kabary, fa asa sy fihetsika andavanandro, tanterahina ao anatin’ny fifanajana, ny fihavanana, ary ny fiaraha-mientana”.