Efa manakaiky ny Zaikabem-pirenen’ny Tanora ho an’ny Fahitsiana ary mbola misokatra ny fisoratana anarana!
Na te hampandre ny feonao, na hampiasa ny famoronanao ho fampiroboroboana ny fahitsiana, na hampiseho ny talenta anananao, dia misy sehatra miandry anao:
FIFANINANANA HORONANTSARY FOHY
Angony ny ekipanao, raiso ny fakantsary ary mamoròna horonantsary fohy sy manaitra momba ny lohahevitra hoe: « Ny anjara toeran’ny tanora amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana ».
FIFANINANANA FAMORONANA LOGO HO AN’NY SAC
Ampiasao ny fahaiza-mamorona anananao hamoronana mari-pamantarana matanjaka sy miavaka, afaka maneho ny Rafitra Miady amin’ny Kolikoly eto Madagasikara (SAC).
![]()
ANTSO HO AN’IZAY TE HANDRAY ANJARA AMIN’NY FORUM
Eo anelanelan’ny 18 sy 35 taona ve ianao ary maniry handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanolorana vahaolana ho fampiroboroboana ny fahitsiana? Alefaso dieny izao ny fangatahanao handray anjara amin’ny Forum!
RY TANORA AVY ANY AMIN’NY FARITRA, HO ANAREO IHANY KOA ITY ANTSO ITY!
Natao hisolo tena ny tanora manerana an’i Madagasikara sy handraisana ny rehetra ny Forum.
Ho an’ireo tanora avy any amin’ny faritra izay voafantina, dia horaisina an-tanana ny saran-dalana, ny trano hipetrahana ary ny sakafo.
Tandremo, andro vitsy sisa!
Fe-potoana farany: 01 Septambra 2026
Forum: 01 & 02 Oktobra 2026 – Oniversiten’Antananarivo
Safidio ny sehatra mahaliana anao, jereo ao amin’ireo sary ny fepetra ary scanneo ny QR Code raha hisoratra anarana na handefa ny fangatahanao.
Aza mijanona ho mpijery fotsiny fa aoka ianao ho isan’ny mitondra fiovana.
Manehoa hevitra. Mamoròna. Mandraisa anjara. Manolora tena.
Manana hevitra, talenta ary feo ny tanora Malagasy. Andao hiara-hampandre izany!
#ForumNationalDesJeunes#JeunesPourLIntégrité#TanoraMalagasy#Fahitsiana#AdyAminNyKolikoly#FandraisanaAnjara#Madagasikara
—————————————————————–
JEUNES DE MADAGASCAR, À VOUS DE JOUER ! ![]()
Le Forum National des Jeunes pour l’Intégrité approche… et les inscriptions sont toujours ouvertes !
Que tu souhaites faire entendre ta voix, mettre ta créativité au service de l’intégrité ou montrer ton talent, une opportunité t’attend :
CONCOURS DE SHORT VIDÉO
Mobilise ton équipe, prends ta caméra et crée une vidéo percutante sur « Le rôle des jeunes dans la promotion de l’intégrité ».
CONCOURS DE LOGO DU SAC
Imagine une identité visuelle forte et originale capable de représenter le Système Anti-Corruption à Madagascar.
![]()
APPEL À CANDIDATURES – PARTICIPANTS AU FORUM
Tu as entre 18 et 35 ans et tu veux contribuer aux réflexions et aux propositions pour promouvoir l’intégrité ? Candidate pour participer au Forum !
JEUNES DES RÉGIONS, CET APPEL EST AUSSI POUR VOUS !
La participation se veut nationale et inclusive. Pour les jeunes sélectionnés venant des régions, le déplacement, l’hébergement et la restauration seront pris en charge.
Attention : plus que quelques jours !
Date limite : 01 septembre 2026
Forum : 01 & 02 octobre 2026 – Université d’Antananarivo
Choisis ton activité, consulte les conditions sur les visuels et scanne le QR Code pour t’inscrire ou candidater.
Ne reste pas spectateur du changement.
Exprime-toi. Crée. Participe. Engage-toi.
La jeunesse malagasy a des idées, du talent et une voix. Faisons-les entendre !







