TAPITRA NY FOTOANAN’NY KABARY, FOTOANA HIROSOANA AMIN’NY ASA SY NY SAZY IZAO!

Tsy fotoanan’ny fanentanana fotsiny intsony izao, fa fotoanan’ny fandraisana andraikitra, ny fanatrarana vokatra azo tsapain-tanana ary ny fampiharana sazy. Tsy tokony hisy toerana intsony ny tsimatimanota!

Notanterahina androany 13 novambra 2026, ny fihaonana nokarakarain’ny Primatiora sy ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI), izay notahirin’Andriamatoa Mamitiana RAJAONARISON, Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ary nampivondronana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Rafitra Iadiana amin’ny Kolikoly (SAC), ary ireo tompon’andraikitry ny Rafitra Anatiny Miady amin’ny Kolikoly (STAC) eny anivon’ny minisitera sy andrim-panjakana samihafa.

Mazava ny hafatra nivoitra tamin’izany : tsy tokony hijanona amin’ny fanambarana sy ny finiavana fotsiny intsony ny ady amin’ny kolikoly, fa tsy maintsy miteraka fiovana marina sy vokatra tsapan’ny vahoaka eo amin’ny fiainany andavanandro.

Ho fanatanterahana ny finiavana efa nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, dia nanome toromarika hentitra ny Praiminisitra mba hampiroboroboana ny ady amin’ny tambajotran-jiolahy sy ny heloka bevava voarindra eto Madagasikara.

Napetraka ny sori-dalana : hamolavola Politikam-pirenena Iadiana amin’ny Heloka Bevava Voarindra, izay hampivondronana sy hampirindrana ny fanatanterahana ireo Paikadim-pirenena samihafa, indrindra ny ady amin’ny kolikoly, ny famotsiam-bola ary ireo endrika heloka bevava voarindra hafa.

Ny tanjona dia ny hialana amin’ny asa miparitaka sy tsy mifandrindra, ka hametraka fomba fiasa nasionaly mirindra, matanjaka ary mahomby.

Tsy maintsy manaporofo amin’ny vokatra ny minisitera tsirairay. Tsy tokony ho antontan-taratasy volavolaina fotsiny mba hanarahana adidy ara-panjakana intsony ireo Politika Anatiny Iadiana amin’ny Kolikoly (PILCC).

Tsy maintsy lasa fitaovana tena ampiasaina hiadiana amin’ny kolikoly izy ireny, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny endrika kolikoly misy eo anivon’ny minisitera tsirairay.

Tsy ny isan’ny asa vita na ny hetsika natao intsony no handrefesana ny fahombiazana, fa ny fiovana tena hita sy tsapan’ny vahoaka.

Anisan’ny toromarika lehibe nomen’ny Praiminisitra arak’izany ny fametrahana tondro fandrefesana ny tena fiantraikan’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny minisitera tsirairay.

Hisy fanadihadiana ny hevitry ny olom-pirenena hatao dieny izao, mba hamaritana ny toe-draharaha iaingana na « état zéro ».

Rehefa afaka telo volana, dia hisy fanadihadiana vaovao hatao mba handrefesana ireo fiovana voalohany tsapan’ny olom-pirenena.

Mazava ny tanjona : tsy ampy intsony ny milaza fa miady amin’ny kolikoly, fa tsy maintsy porofoina amin’ny vokatra ny fahombiazan’izany ady izany.

Nomen’ny Praiminisitra toromarika ihany koa ny hanaovana fanisana sy famakafakana ireo lalàna sy didy mifehy ny tsy fahafahana manenjika ara-pitsarana noho ny sata na andraikitra (immunités) sy ireo tombontsoa manokana (privilèges), izay mety ho sakana amin’ny fanatanterahana fanadihadiana.

Dingana iray manan-danja izany amin’ny finiavana hampitsahatra ny tsimatimanota.

Ahoana tokoa moa no hahombiazan’ny ady amin’ny kolikoly raha mbola misy sakana ara-dalàna mety hanakana ny fanadihadiana tsy ho tonga hatramin’ny farany?

Tsy ny ady amin’ny kolikoly ihany no voakasik’izao toromarika izao, fa ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana manontolo.

Nohamafisin’ny Praiminisitra fa tsy maintsy miroso amin’ny dingana vaovao ny fitondram-panjakana : ny fampiharana marina ny lalàna, ny fandraisana andraikitra ary ny fampiharana sazy amin’izay mandika izany.

Tsy ampy intsony ny fanentanana manoloana ireo fomba fanao manimba ny andrim-panjakana sy mampijaly ny vahoaka, satria tsy amin’ny kabary no handresena ny kolikoly, fa amin’ny asa sy ny vokatra.