MOMBA NY RAFITRA MISAHANA NY FAMERENANA IREO FANANANA SY VOLA MALOTO AMIN’NY FANJAKANA (ARAI)

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 29 septambra 2021 lasa teo ny didim-panjakana mametraka ny rafitra misahahana ny famerenena ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo fananana maloto azo avy amin’ny kolikoly na  ny ARAI. Dingana goavana ho an’ny ady atao amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena izany satria ahafahana mangeja sy mihazona ireo fananana sy vola maloto rehetra azo avy amin’ny kolikoly.

Ny fametrahana io rafitra io dia mameno sy mandavorary ireo vondron-drafitra entina miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara voalazan’ny lalana 2016-020.  

Ireto avy ireo rafitra ireo :

  • Komity mitandro ny fahitsiana (CSI)
  • Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO)
  • Sampandraharaha miady amin’ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana (SAMIFIN)
  • Rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC)
  • Rafitra misahana ny famerenana ireo fananana sy vola maloto amin’ny Fanjakana (ARAI)

Ny tanjon’ity rafitra napetraka farany ity dia ny hanakanana ny fisitrahan’ny mpanao kolikoly ny fananana sy ny vola azo avy amin’ny fanaovana izany kolikoly izany. Ny asan’ity rafitra ity dia ny manatanteraka ny didim-pitsarana mikasika ny fananana voageja na voahazona.

Tsy ho ela dia hiroso amin’ny fifantenana izay ho Tale Jeneralin’ity rafitra vaovao ity ny CSI ka izany dia miatomboka amin’ny fametrahana ilay komity manokana misahana izany fifantenana izany araka ny voalazan’ilay didim-panjakana vao nivoaka io.

0 Shares:
Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *