VOLAVOLAN-DRIJAN-TENIN-DALANA MOMBA NY FAHAZOA-MAMANTATRA NY RAHARAHAM-PANJAKANA (AVANT-PROJET DE LOI SUR L’ACCES À L’INFORMATION À CARACTERE PUBLIC)

Natolotra ampahibemaso ny alatsinainy lasa teo ity rijan-tenin-dalàna ity ary nandeha mivantana tao amin’ny TVM sy tao amin’ny pejy FB-n’ny Minisitera. Fa inona marina moa izany hoe « fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana » na hoe « zo mahafantatra ny raharaham-panjakana » ?

➡Nandritra ny andro hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zo mafantatra ny raharaham-panjakana na ny « Journée Internationale du droit à l’accès à l’information » ny septambra 2019 dia nanao fanambarana ampahibemaso i Ramatoa Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO fa hiroso amin’ny famolavolana lalàna momba ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana ny Minisitera ary hiantsoana ireo mpisehatra rehetra mety voakasak’izany ny famolavolana izany indrindra ny fiarahamonim-pirenena. Ny firenena te-hanamarim-pototra ny demokrasia dia manana lalàna miaro ny fahafahan’ny olom-pirenena mahafantatra ny raharahan’ny fanjakana izay mitantana ny fireneny. Araka ny antontanisan’ny Unesco dia firenena 127 no manana lalàna miaro io zo mahafantatra io. I Madagasikara dia mbola tsy ao anatin’izany hatreto.

✅ Teny nomen’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny ny hahavitan’ity rijan-tenin-dalàna ity ka izao tonga amin’izao dingana izao tahaka ny natao tamin’ny Lalàna mifehy ny Serasera. Hahatanteraka izao rijan-teny izao, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia niara-nisalahy tamin’ny CSI, ny fiarahamonimpirenena ary ireo mpiara-miombin’antoka.

➡Ny fanjakana ankehitriny dia nametraka fanamby ny hamoha indray ny maha-olompirenena ny vahoaka izany hoe hamelona ny ao anatin’ny olom-pirenena ny haha-mpandray anjara azy feno amin’ny fiainam-pirenena, isan’ny hahafahana manatanteraka izany ny fametrahana ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana satria mametraka ny mangarahara ary manala ny elanelana misy eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka. Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana handravana ny elanelana tsapan’ny olom-pirenena fa misy eo aminy sy ny fitondram-panjakana araka izany ity lalàna ity. Ny fananana olom-pirenena mahatsiaro tena ho tompon’ny fiainam-pirenena ary mandray anjara feno amin’izany fiainam-pirenena izany anefa no hery mitambatra hahafahana mampandroso ity firenena ity.

➡Ny dingana manaraka dia ny fitondrana izany eny anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta sy ny ny Filan-kevitry ny Minisitra. Aorinan’izay dia ny fampidirana izany eny amin’ny Parlemanta.

Ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina

Estrace Online Buy Provera Buy Nasonex Online Buy Rhinocort without Prescription

facebook likes kaufen
0 Shares:
Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *